Vatsy tsinjo: Tonga ao Toliara ireo fanampiana ho an’ny mponina any an-toerana.
Dépêche 06 octobre, 12h30, Nigadona tao amin’ny seranan-tsambon’ny Toaliara ny sambo PJ MINH GIANG. Ity sambo ity no nitondra ireo vatsy tsinjo antina hanampiana ireo mponina any an-toerana indrindra moa fa ireo izay tafiditra anaty faritra marefo. Vary nafarana avy ivelany natokana hamatsiana ireo ao Toliara manokana ireto ka avy hatrany dia ho zaraina ho an’ireo mponiana mba hanamaivanana ny fahasahiranana.
