Maroantsetra-Mpivarotra sy mpifoka rongony tratra naiditra am-ponja avokoa
Misy mpianatra amin’izy ireo, ny 3 vehivavy ary ny 21 lehilahy. Ny 3 tamin’izy ireo ireo ihany no mpivarotra fa mpifoka avokoa ny ambiny. 17 taona ny zandriny indrindra ary 45 taona ny zokiny indrindra. Tao amin’ny fokontany Anjahamarina I izy ireo no tratra, tamin’ny takarivan’ny Sabotsy lasa teo ary mbola tratra teny amin’izy ireo ny rongony 2,650kg. Naiditra am-ponja izy ireo, taorian’ny nanolorana azy ny fitsarana tamin’ny talata 9 Aprily lasa teo.
