Tetik’asa kambana : Antananarivo –Kigali
Tetik’asa kambana amin’Antananarivo sy Kigali ho tanàna madio kokoa. Nihaona tamin’ny Ben’ny tanànan’i Kigali Samuel Dusengiyumva ny filohan’ny delegasiona manokan’ny kaominina Antananarivo Renivohitra Richard Ramanambitana ny asabotsy teo. Niresaka momba ny mety hisian’ny fifanarahana fiaraha-miasa izy roa lahy. Ny fahadiovana, ny fampandrosoana ary ny fahadiovana no tena fototry ny resaka.
