ActualitésTsidika

Ambohimalaza : Hita tao Antetina ilay tovovavy very, nanaovana fikarohana

Vehivavy iray tsy ampy taona, nanaovana fikarohana tamin’ny onjam-peom-panjakana, nandritra ny telo andro no hita tany Antetina, kaominina Ambohimalaza. Notazomina lehilahy ity tovovavy ity ka olon-tsotra no nahatsikaritra azy ireo no nampandre ny mpitandro filaminana, araka ny voalaza.

« Tovovavy iray no tsy hita nandritra ny telo andro ary nanaovan’ny fianakaviana fikarohana Tamin’ny onjam-peo. Ny 27 martsa teo kosa no naharay antso ny zandary avy eto amin’ny brigade Ambohimalaza, amin’ny fisiana tovololahy mitazona zaza ao aminy eny Antetina » hoy ny avy amin’ny zandarimaria.

« Nidina avy hatrany teny an-toerana ny zandary, izay nifanena tamin’ny fianakavian’ilay vehivavy tsy hita teny an-dalana. Voasambotra tao an-tranony ity lehilahy nampiahiahy  ity,  niaraka tamin’ilay tovovavy tsy hita nandritra ny telo andro » hoy hatrany ny fanazavana.

Niakatra ny fitsarana avy hatrany moa ity raharaha ity. Taorian’izany dia voatazona vonjimaika ao amin’ny fonjan’Antanimora ity lehilahy ity, ny 3 aprily teo.

Laisser un commentaire