CultureTatitra

Etats-Unis : Telo no naratra tao Philadelphie, nandritra ny fankalazana ny famaranana ny fifehezan-tena

Nisehoana fifampitifirana tao Philadelphie, tanàna lehibe iray any atsinanan’i Etats-Unis, ny alarobia teo, nandritra ny fankalazana ny fetin’ny  « Aïd », tao an-toerana. Olona telo no naratra vokatr’izany, araka ny fanambarana nataon’ny polisy any an-toerana. Antokon’olona roa samihafa, no nifampitifitra, tao anatin’ny toeram-pitsangatsanganana iray, nanaovana ny fankalazana. Tsy nilaza na inona na inona ireo mpitandro filaminana nandritra izany, noho ity farany noheverina ho tao anatin’ny fankalazana ny famaranana ny fetin’ny ramadan, nataon’ireo mpino silamo. Kanefa, manodidina ny tamin’ny 2ora sy sasany tolak’andro tany an-toerana, tonga tao an-toerana ireo mpino silamo an’arivony hankalaza ity fety ity. Feom-basy manodidina ny telopolo teo no nirefotra nandritra izany. Olona telo no naratra taorian’izany, izay ankizy 15 taona ny iray, ity farany izany nitana fitaovam-piadiana ary iray hafa 22 taona, voa teo amin’ny kibony. Olona dimy kosa no nosamborina nandritra izany.

Laisser un commentaire