Dépêches

Mirongatra be ny aretina tazomoka- Androka sy androimpano ao amin’ny distrikan’Ampanihy

Amin’izao dia mirongatra be ny aretina tazomoka ary voalaza koa fa efa misy maty vokatr’izany any amin’ny kaominina Androka sy Androimpano, distrikan’Ampanihy faritra Atsimo Andrefana. Feno hipoka ireo toeram-pitsaboana any an-toerana ka voatery eny an-tokontany no andraisana ireo marary. Maro ireo tsy voavonjy intsony ka mamoy ny ainy, araka ny fanazavana nataon-drasazy, noho izy ireo mitsabo tena any amin’ny mpivarotra fanafody, izay misandoka manao ny asan’ny mpitsabo (manindrona sy manome karazana fanafody), ka rehefa reraka avy any vao tonga mamonjy hopitaly ao Androka.

Laisser un commentaire