Antananarivo Renivohitra : mizotra am-pilaminana ny fitsarana miaramila hatreto
11 Aogositra, 08h30. Mizotra tao anatin’ny filaminana tanteraka ny fitsarana miaramila eny amin’ny kianjan’i Betongolo ho an’ny Boriboritany 6 amin’ny Kaominina Antananarivo Renivohitra izay nanomboka ny Alatsinainy 02 Aogositra 2021. Raha ny herinandro voalohany no resahina dia tanora miisa 38 373 no nahavita ny fitsarana miaramila ka ny 28099 lahy ary ny 10274 no vavy.
