Mivaly amin’ny tapaky ny septambra ny Baccalauréat raha tsy misy ny sampona
Na dia mbola tafiditra ao anatin’ny andro fahatelo amin’ny fanadinana Bakalôrea aza isika amin’izao dia efa fantatra sahady fa ny tapaky ny volana septambra izao no hivaly ny fanadinana. Marihana fa nahitana fiakarana ny isa ho an’ireo mpiadina ny fanadinana Bakalôrea raha toa nitombo 19% be izao izany raha mitaha ny tamin’ny taon-dasa.
« Hivaly ny tapaky ny volana septambra izao ny fanadinana Bakalôrea ho an’ny sokajy ankapobeny manerana ny nosy » hoy Pr Ravelomanana Mamy Raoul, Filohan’ny Oniversite Antananarivo. « Efa mitsara izay vita aloha ny mpitsara amin’ireo taranja efa natao ka hohezahana hivaly vetivety izany » hoy ny Filohan’ny ivon-toeram-panalana fanadinana iray. « Izay vita aloha tsy tokony hojerena intsony fa any amin’ireo taranja tsy vita no tena tokony hojerena akaiky amin’izay » hoy i Lanja, mpiadina fanadinana iray.
Mbola manodidina ny iray volana eo noho izany vao hivaly ny fandinana ka tsara raha miandry am-pitoniana isika ray aman-dreny sy mpianatra. Hanao ahoana ny tahan’ny fahafahan’ny afaka Bakalôrea amin’ity taom-pianarana ity ?
Nicole Rafalimananjara
