ActualitésTsidika

Vonona ve ny kianjan’ny Barea Mahamasina ?

Hotokanana ny 29 aogositra ny kianjan’ny Barea Mahamasina. Nanomboka ny volana desambra 2019 ny fanombohana ity asa ity ary izao efa mamarana azy izao ny mpanamboatra azy. Ity kianja izay araka ny fanamby napetraky ny Filoha fa tsy maintsy vita faran’izay haingana. Mifantoka amin’ny fanatsarana ny ivelany sisa dia vita ary afaka hiroso amin’ny fitokanana ny kianja amin’izay ny Malagasy.

29 aogositra 2021. Io no daty nofidian’ny Filoham-pirenena anatanterahana izany fitokanana izany. Daty izay sady handraisana ireo ekipan-ny Seychelles amin’ny lalao ara-pirahalahiana izay ifanandrinany amin’ny Barean’ny Madagasikara. Lalao izay ho amin’ny fiomanan’ny ekipa Malagasy ny fifanintsanana Mondial ifaninany amin’ny Benin ny fahadimy ny volana septambra.

« Faly ! », izay no mameno ny vavan’ ireo mpitia baolina kitra manoloana izao fahavitan’ny kianja izao. Ireo mpisehatra ao amin’ny fanatanjahantena ihany koa mahatsapa ny lanjan’ny fisian’io kianja io : « Tena voninahitra lehibe ho an’ny Madagasikara ny fahavitan’io kianja io satria dia mendrika amin ‘ny fandraisana lalao iraisam-pirenena ny kianjantsika ka afaka hivelatra eo amin’io sehatra io amin’izay isika Malagasy ».

Etsy an-danin’izany, tsy maintsy foana ny mahita hevitra mifanohitra amin’ny besinimaro : « Tsy laharam-pahamehana, resaka kianja manara-penitra no andaniana 77 tapitrisa dolara » hoy i Rodolphe.

Tsy kianja filalaovam-baolina fotsiny ihany no ao anatin’ity kianjan’ny Barea ity fa ahitana hotely manara-penitra, toeram-pivarotana maro isan-karazany, toeram-pisakafoana mihaja. Malalaka dia malalaka ny toerana ka mahazaka mpijery maro. Anisan’ny toerana tsara sy manaingo an’Antananarivo ity kianja vaovaon’ny Barea ity. Ho aty amintsika indray ny mason’izao tontolo izao amin’io andron’ny 29 aogositra io.Tsy tokony hisy intsony izany ny korontana eo am-pidirana rehefa misy lalao ara-panatanjahantena ao Mahamasina nohon’ny hangezan’ity fotodrafitrasa ity arak’izany.

Tsangy Randriamampianina

Laisser un commentaire