Etats-Unis : Hetsika iray goavana ho an’ny bande dessinée ny « Comic-Con »
Ny « San Diego Comic-Con International » na ny « Comic-Con International : San Diego » dia hetsika iray lehibe ho an’ny boky tantara an-tsary (bande dessinée). Noforonin’i Shel Dorf sy vondrona mponina tao San Diego izany tamin’ny tao 1970.
« Golden State Convention Comic Book » no niantsoana io hetsika io tany am-piandohana. Ao San Diego ao Californie ao amin’ny San Diego Convention Center no fanatanterahana izany arakin’ny fanao mahazatra. Ny Comic-Con kosa dia sady anarany hetsika no anaran’ny fikambanana mitantana azy. Olon-malaza sy mpankafia maro kosa no tonga manatrika izany. Mahatratra hatramin’ny 130 000 ny mpitsidika ny hetsika.
Nanomboka ny taona 1974 dia notoloran’ny fikambanana mpikarakara amboara ireo matihaninin’ny fanatontosana boky tantara an-tsary, ny « science-fiction », ny fahitalavitra sy ny sarimiaina ary ny mpikambana mpikarakara ny hetsika izay mahazo « Prix Inkpot ».
