Faritra Menabe : Tontosa ny fampahafantarana ny « Groupe thématique de protection sociale »
29 Aprily, 12h00. Notontosaina teto Morondava omaly ny atrik’asa fampahafantarana ny sehatra avondron’ny fiahiana ara-tsosialy. Atrik’asa nanasàna ireo fiaraha-monim-pirenena sy ireo tompon’andraikimpanjakana maro teto an-toerana. Nitarika ny fotoana ny Sekretera Jeneralin’ny Minisiteran’ny Mponina Rakotonirina Patricia izay nisolo tena ny Minisitra Soafilira Princia. Nitondra fanazavana sy famelabelarana momba ny paik’ady nasionaly amin’ny Fiahiana ara-tsosialy ny Tale Jeneralin’ny Fiahiana ara-tSosialy Rivomanana Ghisbert, ny tomponandraikitra eo anivon’ny FID sy ny OIT.
