Comores : Hisy ny sidina mivantana hampifandray an’i Moroni, Marseille ary Paris
Manana tetik’asa hampifandray mivantana an’i Moroni, Marseille ary Paris ny Comores Airlines. Mikendry ny fanjifan’ireo diaspora maro mipetraka ao France izany tetik’asa izany raha ny fanazavan’ny tompon’andraikitra.
I Mohamed Maoulida no talen’io orinasam-piaramanidina vaovao io. Mpila ravinahitra ny tenany ary nanangona ny vola maro nananganana io orinasa efa misy fiaramanidina 12 io. Ny tanjony dia ny hanohy ny fampandrosoana ny fizahantany ao amin’ny firenena. Dingana roa no efa vita hoy io lehiben’ny Comores Airlines tsy ho ela io. Nilaza ny tenany fa maniry ny hanitatra sahady ny zotra ao Europe sy Afrique amin’ny taona 2024.
Tsiahivina fa i Mohamed Maoulida dia tale jeneraly sy mpanolotsaina ao amin’ny OHADA. Mbola tsy nanome daty mazava amin’ny fanombohana io tetik’asa io ny tenany.
