Ambohimanga Rova: Renivohitr’Imerina, iray amin’ireo tanan-dehibe mandrafitra ny distrika Avaradrano
Any amin’ny 21 km avaratra atsinanan’ny renivohitra Antananarivo no misy ny Rovan’Ambohimanga. Miorona eo ambony tendrombohitra izy, izay manamarika ny kolontsaina Merina. Voalaza fa tsangambato voatahiry tsara indrindra Ambohimanga rova. Renivohitr’Imerina izy taloha ary iray amin’ireo tanàna telo lehibe mandrafitra an’Antananarivo Avaradrano (Ilafy, Ambohidrabiby, Ambohimanga).
Renivohitry ny foko hova «Tsimahafotsy» ihany koa. Anisan’ny mampiavaka an’Ambohimanga rova, ny havoana sy ny kianja eo an-tampony, izay heverina ho mariky ny mahakolontsaina malagasy Merina. Misy ireo toerana nanitrihana mpanjaka maromaro sy trano fonenana voahodidina tamboho izay vita tamin’ny atody ihany koa hita ao.
Ny teny hoe Ambohimanga dia avy amin’ny teny malagasy roa hoe «ambohi” sy «manga». Ny hoe ny ambohi dia midika hoe havoana ary ny hoe manga kosa dia midika hoe masina ka atao hoe «TSARA»
na tsara tarehy. Ny teny hoe Ambohimanga izany dia midika hoe «Havoana masina”.
Taloha, Tsimadilo no anarana niantsoana ny tanànan’Ambohimanga. Andriamasinavalona kosa no nanova azy ho Ambohimanga taty aoriana. Misy 14 ny vavahadin’Ambohimanga; izany hoe hadivory 2 sosona dia misy vavahady 7 isan’kady, Ambatomiatendro, Amboara, Tsiombiomby, Miandravahiny ambany, Miandravahiny ambony, Antsolatra, Andranomatsatso, Andakana ambany , Andakana ambony na Ambavahadinizafimbazaha, Ampitsaharana, Ambavahadimasina, Ambavahadimahazaza izay efa nanjavona, Ambavahadikely, efa nanjavona teo ihany koa ary Ambodinaviavy izay teo amin’ny arabe eo fa efa nanjavona ihany koa sy Ampanidinamborona.
Manitra R.
