Varotra: Adidy hiraisana ny fampandrosoana ny vita Malagasy
Manentana ny olona amin’ny fanjifana ny vokatra vita Malagasy indray ny avy ao amin’ny SIM, hetsika izay efa fanao isan-taona rehefa volana jona tahaka izao. Te hampiroborobo ny varotra Malagasy ho tombontsoan’ny rehetra? Ny fanjifana ireny no vahaolana amin’izany. Hampiditra ny vokatra ny orinasa ho ao anatin’ny “label Malagasy Ny Antsika” ihany koa izy ireo. Maro ireo hetsika izay ho karakarain’ny SIM hahafahana tonga amin’izany tanjona kendrena izany.
“Hanatanteraka fanentanana eny anivon’ny fiaraha-monina (roadshow) ny SIM hanapritahana sy hampahafantarana ireo vokatra tena vita Malagasy manerana ny Nosy. Ho ampiasaina ihany koa ireo toeram-pivarotana lehibe sy salantsalany amin’ny fanaparitahana ny vokatra Malagasy. Araka izany ho hita isaky ny zoma sy sabotsy eny anivo’nireny toerana ireny ny SIM amin’izany asa izany”, hoy Shekinah Andriamanarivo avy ao amin’ny Syndicat des industries de Madagascar (SIM)
“Tsy dia mpividy vokatra vita Malagasy raha tsy efa mahafantatra mpampiasa sy ny voka-tsoa entin’izany. Amin’izao anefa efa miezaka be mihitsy satria tsy misy afatsy ny samy Malagasy ihany no afaka hampiakatra ny hari-karenantsika eto. Ny olana indray anefa ilay vidiny matetika lafo loatra fa mananosarotra”, hoy i Aline, renim-pianakaviana.
Ny fandehanan’ny vokatra vita Malagasy anefa dia hanampy ny olon sasany amin’ny asany, sy ny fidiram-bolany. Fifanampianany fiainana ka sao mba ianao no ho fahasoavana ho an’ny hafa.
Miora Raharisolo
