Homamiadan’ny nono : Efa misy amin’izao fotoana ny penina hahafahana mitily izany
Mpitabo malagasyb no nahita ity penina fitiliana ny sela mpamokatra ny homamiadan’ny nono ity. Efa andalam-pamitana ny fizahana sy ny fanandramana izany ireo manam-pahaizana amin’izao fotoana izao. Aretina azo tsaboina izay tsy voatery hiafara amin’ny fandidiana izy ary vao amainka manamora ny asan’ny mpitsabo ity penina
« Aretina mampatahotra ny olona mihitsy ity aretina hoe homamiadana ity satria mahafaty izy io raha tsy voaatsabo ara-potoana. Vokatr’ity fikarohana ity indrindra dia manamora ny asan’ny mpitsabo izy no sady hahafahana manara-maso ny fahasalamana izay tena tokony hatao in’efatra isan-taona izany hoe isaky ny 3 volana. Ny vehivavy moa izany mazava ho azy no mahazo tombony amin’izy ity ary tsy tokony hana-tahotra mihitsy ny man,ao fitiliana », hoy ny Mpitsabo amin’ny hopitaly tsy miankina iray.
« Tsy natokana ho an’ny vehivavy irery anefa ity fanaovana fitiliana ity fa na ireo lehilahy aza dia mety ho voan’izany homamiadan’ny nono izany. Ilaina hatrany ny mitandrina ary tsy tokony hadinoina ny manao ny fitsapana ny nono isam-bolana fa izany ihany koa dia mbola anisan’ny manampy ny mpitsabo hiady amin’ity aretina ity », hoy i Dokotera Rasata Ravelo Andriamparany, mpikaroka ity penina fitiliana ity.
Maro ny tombony ho azon’ny olona amin’ny fisian’ity fitaovana kely ity. Hanana anjara betsaka ihany koa ny Malagasy satria dia mpitsabo Malagasy no nahita izany. Manankarena manam-pahaizana isika Malagasy ka izany indrindra ni asahiana miteny fa afakan ny hivoatra amin’ny tsara hatrany ity firenena ity.
Miora Raharisolo
