Ambohimangakely: Noravahana jiro ny arabe
Noravahana jiro manazava ny lalana indray ny tao amin’ny faritra sasany ao amin’ny kaominina Ambohimangakely. Ankaotra ny manazava ny tanàna dia manavao ny endriky ny kaominina ary hitsinjovana ireo mpody alina amin’ny fandriam-pahalemana ihany koa izany, araka ny voalaza.
« Ao anatin’ny ezaka fanatsarana ny tanàna dia noravahana jiro indray ny arabe. Raha efa nisy teny amin’ny Jovena Antanambao hatrany Manambina dia notohizana miala Jovena hatreny amin’ny CMT izany ary efa mirehitra soa aman-tsara » hoy ireo tomponandraikitra.
« Tena ilaina be izao fametrahana jiro izao ary mila fenoina toa izany ihany koa ireo faritra sasany tena maro mpivezivezy kanefa tena maizina. Toa izany ny eny amin’ny faritra fiantsonan’ny fiara eo Ambodivoara, Mahazo sy ny manodidina » hoy i Jean Luc, mponina ao Ambohimangakely.
Zava-dehibe amin’ny fampandrosoana ny famaliana ny filàn’ny mponina eny ifotony. Ilaina ihany koa anefa ny manentana ny monina amin’ny fikojakojana sy fikolokoloana azy ireny, indrindra ny fiarovana amin’ireo mpangalatra s tsy manaja ny fananana iombonana.
Manitra R.
