Rovan’i Madagasikara: Niroso tamin’ny fampiasana tapakila elektronika
Roa volana taorian’ny nisokafan’ny Rovan’i Madagasikara, izay voasokajy ho an’isan’ireo vakoka ankafizin’ny mpitsidika sy mpizahatany eto Antananarivo, niroso tamin’ny fampiasana ny tapakila elektronika ireo tomponandraikitra misahana izany, nanomboka ny alarobia teo.
“Natomboka ny alarobia 23 aogositra teo ny fampiasana ny tapakila elektronika manaraka ny vanim-potoanan’ny fivorana. Fiaraha-miasa eo amin’ny ministeran’ny serasera sy ny kolontsaina miaraka amin’ny orinasa MANOOVA no nafahana nametraka ny milina elektronika, hanamora ny fandraisana mpitsidika izany” hoy ny avy amin’ny ministeran’ny serasera sy ny kolontsaina.
“Araka ny toromariky ny filoha Andry Rajoelina no nametrahana an’io milina ara-kajy mirindra io. Manomboka izao dia azo jifaina amin’ny tranonkala www.ticketplace io tapakila hoa an’ny mpitsidika ny rovan’i Madagasikara io. Efa misy ireo torolalana ahafahana misafidy ny tapakila ilaina ao anatin’izany na ho an’ny ankizy na ny olon-dehibe na vondron’olona na teratany navahiny” hoy hatrany ny fanazavana.
Ankoatra izay moa, dia mitohy hatrany ny fivarotana ny tapakila eny an-toerana izay atao amin’ny alalan’io E-ticket io ihany. Amin’izao fotoana hanatanterahana ny lalaon’ny nosy izao dia vinaina hitombo hatrany ny mpitsidika ny rova ka efa misy ny fiaraha-miasan’ny ministera sy ny ministeran’ny fizahan-tany amin’ny tolotra ara-pizahan-tany “City tour”.
Manitra R.
