CultureTatitra

Japon : Fomba iray hankalazaina isaky ny arivo taona ny « Sominsai »

Fomba iray anisan’ny miavaka, atao any amin’ny faritra atsinanan’i Japon, ny festival Sominsai. Nisy ny fanaklazana izany tao an-toerana tamin’ny faran’ny herinandro teo tao Iwate, tao amin’ny toeram-pivavahana Kokuseki. Efa an’arivony taona no nankalazana ity fomba iray ity, ary entina hanomezana lanja ny fiaraha-monina izany. Mandritra io fomba io, miboridana ireo vatan-dehilahy ary misalaka, mandro amin’ny rano mangatsika ary manome voninahitra ireo hery hivavahany amin’ny alalan’ny ady hevitra momba ny « talismans ». Tombony lehibe ho an’ny firenena ny fankalazana tahaka izao, satria anisan’ny mampiombona ny mponina, misarika ireo mponina ny fankalazana ny fomba amam-panao any an-toerana

Laisser un commentaire