ActualitésTatitra

Maurice : Nitsoaka ny toerana nisy azy ilay mararin’ny covid-19

Lehilahy iray monina oa Sainte-Croix any Maurice no hita fa mitondra ny tsimok’aretina coronavirus ny 23 jolay lasa teo ka voatery nahiboka tany amin’ny hotely Pointe. Nitsoaka izany toerana nisy azy izany anefa ity marary ny alahady 25 jolay lasa teo.Notadiavin’ireo polisy avy ao amin’ny « Criminal Investigation Division » na CID any Grand-Baie ity lehilahy 38 taona ity. Ny alin’ny 25 jolay anefa dia hitan’ny polisy ihany ilay lehilahy. Natory teo ambanin’ny lavarangan’ny biraon’ny paositra eo amin’ny lalana Ducray any Sainte-Croix no nahitana azy.Mifoka zava-mahadomelina ity rangahy ity ary nitady zava-mahadomelina no nitsoahany ka tafatory teo amin’ilay biraon’ny paositra. Nanazava ity lehilahy ity fa tsy nikasika olona mihitsy nandritra ny fotoana nitsoahany.

Laisser un commentaire