Ecosse : Vehivavy iray no namoy ny ainy vokatry ny fametrahana « anneau gastrique »
Vehivavy iray monina ao Falkirk, Écosse antsoina hoe Shannon Bowe no niazo an’i Turquie ny 31 martsa teo hanao fandidiana fametrahana « anneau gastrique ». Nisy fahasarotana nefa ny fanatanterahana izany ka namoy ny ainy io vehivavy io. Tsy fantatra mazava ny lesoka niseho nandritra izany fandidiana izany.
« Chirurgie restrictive » ny fametrahana « anneau gastrique ». Natao hamehezana ny vavony izy mba hampihenana ny habeny. Ireo olona maniry ny hampihena vatana noho izany no tena liana aminy. Mampihena ny fatran’ny sakafo zakan’ny vavony mantsy io « anneau gastrique » io ary mampavoky haingana kokoa.
Araka ny fikarohana nataon’ireo manam-pahaizana dia olona 1 ao anatin’ny 100 manatanteraka io fandidiana io no misedra fahasarotana. Olona 1 ao anatin’ny 1000 kosa no mety ho lavo vokatr’izany.
