Ambohimangakely : Mitohy ny fitsidihana ifotony ataon’ny kaominina
Mitohy hatrany ny fitsidihana ifotony ataon’ny ben’ny tanàna ao amin’ny kaominina Ambohimangakely, miaraka amin’ireo mpiara-miasa aminy. Ny faran’ny herinandro teo, tao amin’ny fokontany Ikianja, Antanetilava no nanaovana ny fitsidihana.
«Fiarahana midinika ary fifanakalozan-kevitra sy fitadiavana vahaolana ary mijery ireo zava-misy ao an-toerana ho hentina hampandrosoana ny faritra no natao nandritra ny fidinana ifotony tety, niaraka tamin’ireo mponina tety an-toerana » hoy ireo tomponandraikitra.
« Fiaraha-miasa miaraka amin’ireo mponina hanatontosa tetik’asa izay hatao eny an-toerana no tapaka anio ary hanomboka tsy ho ela izany asa izany. Hisaorana ireo mpiara-monina rehetra tamin’ny fahavononana sy ny fiaraha-miasa izay atao » hoy hatrany ny fanazavana.
Mitohy hatrany ny ezaka ho fampandrosoana ataon’ny kaominina. Ao anatin’izany moa dia tsy hitsahatra hatreo ny fitsidihana isam-pokotany fa hitohy hatrany, raha ny voalaza hatrany.
