ActualitésTsidika

Antsohihy : Tanora 16 taona tratra nangalatra

Tovolahy iray, mpianatra taona faha 8, vao 16 taona monja no tra-tehaky ny fokonolona teo am-pangalarana finday tany Antsohihy. Saika niharan’ny fitsaram-bahoaka ity tovolahy ity. “Mila omena hafatra tsara ny mpanagalatra tratra tahaka izao. Finday ao anaty fitaratra tsara iny no nangalariny. Saingy efa namerina ny finday nalainy izy no nifona dia navelan’ny fokonolona ihany. Mbola mpianatra rahateo izy ka nilefitra ny mponina” hoy i Marc, mponina ao Antsohihy. “Mahita ny namany manana finday izy izao dia te hanana ihany. Rehefa tsy mitovy amin’ny ankizy namany izy dia lasa manaonao foana” hoy i Harilanto, renim-pianakaviana monina ao Antsohihy.

Laisser un commentaire