Soavinandriana: Mpitondra taxi moto maty
02 Fevrier, 10h00. Lehilahy iray 47 taona no maty nisy namono tao Bemahatazana Soavinandriana. Voatsatoka antsy ny tendany ary nahitana ratra ny lohany. Tsy hita hatreto ilay nahavanon-doza satria afaka nilefa niaraka tamin’ilay « Moto Peter 200 CC » miloko mainty.
