Alakamisy Ambohidratrimo : Zaza telo nilefa ny akanin-jaza maditra
02 Febroary, 11h00. Zaza miisa telo tao amin’ny akany fanabeazana zaza maditra Alakamisy Ambohidratrimo no tafatsoaka omaly 01 febroary. Antso avy amin’ny olona tsara sitrapo monina ao amin’ny fokontany Ambatokely, kaominina Ambanitsena no nahatrarana azy ireo tao amin’io fokontany io. Notazomina tao amin’ny zana-tobim-paritra Carion izy ireo mandrapaha-tongan’ny tomponandraikitra ary efa naverina teny amin’ny akany omaly ihany.
