Foto-drafitr’asa : Efa mandeha ny asa fanamboarana ilay orinasa mpamokatra ethanol
Dépêche 02 mai, 13h, Efa ny fanotorana ilay tany hametrahana ity orinasa ity amin’izao fotoana izao no amperin’asa. Ao Bemaranjana Ambilobe no hametrahana ity orinasa ity ahafahana mamatsy Malagasy maro ny fandrehitra. Efa ao anatin’ny fotodrafitr’asa faharoa ao amin’ny faritra Antsiranana ity namboarina ity. Izany dia ahafahana miaro ny tontolo iainana sady ahafahana mamatsy ny Malagasy rehetra amin’ity ethanol ity. Akora iray nation indindra hampihenana ny fanimbana ny ala ny ethanol ka tokony samy hampiasa izany avokoa ny Malagasy rehetra ho fandraisana anjara amin’ny fiarovana ny tontolo iainana.
