ActualitésTatitra

Royaume-Uni : Inona moa ny « The Boat Race » ?

Ny « The Boat Race » dia fifaninanana hazakazaka lakana na « aviron » tontosaina isan-taona mandrintra ny « printemps » ao Royaume-Uni. Eo anelanelan’ny oniversiten’i Cambridge sy Oxford ao amin’ny reniranon’i Tamise ao Londres no tontosaina izany. Tamin’ny 10 jona 1829 no nisy « The Boat Race » voalohany. Nitohy isan-taona izany nanomboka ny taona 1856 ankoatran’ny tamin’ny fotoana nisian’ny ady lehibe sy ny Covid-19.

Hetsika tena malaza ary tena ankafizin’ny mpankafia lakana sy ny mpianatra fahinin’ireo oniversite voalaza ireo ny « The Boat Race ». Manodidina ny 500 000 eo ny mpijery ny fifaninanana ary tamin’ny taona 2004 dia nahatratra hatramin’ny 500 tapitrisa ny mpanaraka izany tamin’ny fahitalavitra eran’izao tontolo izao. Voasokajy ho isan’ireo fanatanjahatena be mpanaraka indrindra eran-tany izy io manoloana izany.

Laisser un commentaire