Fanomanana fifidianana: Fiaraha-monim-pirenena 2 nahazo tosika avy amin’ny Union Européenne
Mitentina 6miliara ariary natolotra ireo fikambanana fiarahamonim-pirenena 2 hanomana sahady ny fifidianana ny taona 2023. Manana vina ny hanomana ny olona amin’ny fifidianana lavitry ny kolikoly sady lavitry ny korontana no lavitry ny fanavakavahana ary hanetanana ny karazan’olona rehetra handray anjara no antony nanolorana izao fanampiana izao ho an’ny Observatoire Safidy sy ny Friedrich Ebert Stiftung.
“Miady amin’ny kolikoly izahay ary mangarahara ka tsy mampaninona anay ny mialza fa 4 miliara ariary no natolotra anay hanomananay ireo tanora sy vehivavy hifidy. Ezaka maro no hataonay amin’izany izay hanambaranay ny maha-zava-dehibe ny fifidianana tsy mitanilaa sy am-pisainana”, hoy ny avy ao amin’ny Observatoire Safidy.
“Ankoatra izany anefa dia anatin’ny tetik’asa sy programan’asa ny hanaovana ny fanaraha-maso ka efa tafiditra ao anatin’io teti-bola io ny fampihetsehana ireo olona miisa 5000 haparitaka amin’ny biraom-pifidianana miisa 10 000”, hoy hatrany ny fanazavana.
“Asa toy izany no handrasana amin’ny fitondram-panjakana. Ireo izay tokony hanao izany anefa dia tolorana fampiofanana. Manaiky aho hoe ilaina ny mpitandro fiklaminana hanara-maso kanefa tsy vitan’ny mijery fotsiny izany fa tokony omena fampiofanana aloha izy ireo”, hoy kosa i Alvarez, mpianatra mahakasika ny Siantsa Politika.
Ny FES kosa etsy andaniny dia hiketrika ny hanamafy ny fahaiza-manaon’ny antoko politika ary koa ny fikambanan’ny fiarahamonim-pirenena eto Madagasikara. Izany dia ho tanterahina mandritra ny 18 volana any amin’ny faritra Analamanga, Haute Matsiatra, Atsinanana, Boeny ary Atsimo Andrefana.
Miora Raharisolo
