ActualitésTsidika

Jirama : Homena sarany manokana ireo orinasa indostrialy lehibe ara-stratejika isan-karazany

Noho ny olana isan-karzany izay mampikatso ny orinsa JIrama sy mahatonga ny fahatapahan-jiro matetika dia nikaroka vahaolana tamin’izny ny Fanjakana. Araka izany dia hotolorana sarany manokana (tarifs préférentiels) ireo orinasa indostrialy lehibe. Tafiditra ao anatin’izany ny orinasa mpamoktra lamba, mpamokatra simenitra, mpanodina vy ary mpanamboatra sy mpanodina akora simika rhetra. Araka ny fantatra dia miisa 19 izy ireo min’izao fotoana izao.

«Noho ny anjara toerana lehibe hananan’ireo orinasa miisa 19 ireo eto Madgsikara dia tsy maintsy tohanana izy ireo. Miantoka olona aman’arivony ireo orinasa ireo ay ihany koa miantoka ny harikarena faobe. Araka izany dia raha efa mihoatra ny 100% amin’izao ny fiakarana amin’ilay « optima business » dia tapaka fa ny 40% amin’ny fiakarana ihany aloha no tsy maintsy raisin’ireto orinasa ireto. Maharitra herin-taona ihany io fepetra noraisina io izay manomboka amin’ity volana aprily ity saingy tsy mihatra amin’ny fandaniana teo aloha kosa anefa izany », hoy ny avy ao amin’ny Ministeran’ny angovo sy ny akoran’afo.

« Rehefa misy ny mitaraina dia henoina avokoa. Raha mba mitaraina amin’ny fiakaran’io vidin-jiro io anefa izahay olom-pirenena tsotra dia miteny an-drindrina foana fa tsy misy mihaino. Amin’izao fotoana moa dia toa tsy mandeha indray hono ilay laharana maitso fitarainana. Aiza ihany izany no tokony hiteny sy hikaroka vahaolana. Malagasy mitovy izao ihany ve dia misy atao zanak’Ikala hafa », hoy i Bebe Lisy, mponina eny Ivandry mitaraina.

Ankoatra ny fangatahana ny rehetra hanefa ny trosany, na io orinasa, na io olon-tsotra dia vahaolana iray ihany koa ity voalaza ity. Ao anatin’izany anefa dia ny asa tokony hitadiavam-bola hanefana io trosa io mihitsy no mikatso noho ny fahatapahan-jiro matetika. Rehefa izany ary, inona no tokony hatao ? Tsy tokony ho ny orinasa Jirama hatrany ve no mikaroka vahaolana amin’io voalohany ?

Miora Raharisolo

Laisser un commentaire