ActualitésTsidika

Manandriana : Manana cantine scolaire avokoa ny EPP rehetra ao amin’ny Kaominina

Efa manomboka misy ny « cantine scolaire » manerana ny EPP rehetra ao amin’ny Kaominina Manandriana Avaradrano ho an’ny taom-pianarana 2021-2022. Izany dia ho fanampiana ny mpianatra lavitra fodiana amin’ny atoandro sy mba hisorahana amin’ny tsy fanjarian-takafo.

« Mbola olana eto amintsika ny tsy fahanjarian-tsakafo kanefa ilaina izany ho an’ireo ankizy mianatra mandrato fianarana mba ho hery hiatrehany ny fianarany » hoy ny avy ao amin’ny rantsana tsy miankina GRET izay nanohana ara-tsakafo ireo mpianatra eo anivon’ny EPP tany Manandriana.

« Nozaraina koba aina sy koba tsinjo mba hampiyombo lanja ny ankizy ny mpianatra tato ka faly sy ravo ary mankasitraka izay nanampy » hoy ny tale ieo anivon’ny EPP Manandriana. Marihina fa mbola tafiditra ao amin’ny tetik’asa Tambata izao ataon’ny ONG GRET izao.

Ilaina tokoa ny fanohanana ara-tsakafo ny zaza any am-pianarana mba hahafahany manana hiatrehany ny fianarany indrindra ho an’ny ankizy any ambanivohitra.

Nicole Rafalimananjara

Laisser un commentaire