Ankadikely Ilafy: Toka-trano iray nokasaina hanaovana asa ratsy tao Ambohitrarahaba
Tokatrano iray tao amin’ny fokontany Ambohitrarahaba no nisy nikasa hanao asa ratsy, ny alin’ny alarobia hifoha alakamisy, manodidina ny tamin’ny 01 ora maraina. Tsy nahavita ny asa ratsiny anefa ireo olon-dratsy, noho ny fisafoana sy ny naha tsara fiarovana ny trano, raha ny voalaza.
« Ny tranga vao maraina teo moa dia ilay varavaran-kely vy no nisy nanapitsoka dia navelan’izy ireo teo amin’ny elakelan-trano teo. Mpiara-monina sendra namafa lalana vao maraina no nahatsikaritra ny varavarana teo amin’ny elakelan-trano ary nahafantatra fa mitovy amin’ilay mbola tavela teo » hoy ireo niharan’ny tranga.
« Nohesorin’ireo mpanao ratsy moa ilay varavarankely, hisaorana ny tompo anefa fa mbola naco sy grille de protection tao anatiny ka tsy nahavita ny asa ratsy nokasain’izy ireo atao. Tena tsy milamina ny tanàna fa tokony samy mailo sy mitandrina ny rehetra » hoy hatrany ny fanazavana.
Ilaina hatrany ny fiaraha-mientana amin’ny tsy fandriampahalemana. Tsara ihany koa ny manamafy ny hidi-trano hisorahana ny tranga tahaka izao. Marihina fa tsy mbola fantatra mazava ny olona nikasa hanao ity asa ratsy ity.
Manitra R.
