Torohevitra: Karibonetra, fanalana ireo fofona ratsy
Anisan’ny akora iray tsy afa-misaraka amin’ny fanadiovana ny karibonetra. Mafana ny andro amin’izao fotoana izao ka maro ireo fitaovana na zavatra mora miteraka fofona ratsy vokatry ny hamandoana lava na ny hatsemboana amin’ny vatana aza. Ny karibonetra dia anisan’ny akora miady amin’izany.
Anisan’ny manome fahasorenena rehefa tratran’ny hafanana ny tongotra dia tsemboka ka lasa miteraka fofona ratsy (fraoma hoy isika); andraraho vovona karibonetra roa tsongo ao anaty kiraro, lomana mandritra ny alina izany. Iny karibonetra iny no manala ireo fofona ratsy anaty kiraro avy eo.
Azo atao ihany koa anefa, hosorana ranona karibonetra ny tongotra sy ny tanàna, na ireo faritra mora mando lava amin’ny vatana toy ny helika, anisan’ny miady amin’ny hatsemboana sy ny fofona izany.
Ho an’ireo fitaovana fampiasa ao an-dakozia kosa, tokony ezahana ny manadio ireo fitaovana matetika toy ny vata fampangatsiahana, ny vilany lehibe, ny lafaoro, sy ny maro samihafa, diovina amin’ny rano nasina karibonetra. Sady manadio azy iny no manala ireo fofona ratsy aminy ary ihany koa manala ireo biby kely sy bakteria miandrona eny anelanelany eny.
Maro ireo azo ampiasana ny karibonetra amin’ny fanadiovana, miankina amin’ny fikarakarana sy ny fahazaran’ny rehetra ihany koa anefa ny fahazoana vokatra tsara amin’izany.
Manitra Ramanantsoa
