ActualitésTsidika

Sabotsy Namehana : Tratra ireo tompon’antoka tamin’ny fanafihana ombin-tsarety

Saron’ny zandary avy ao amin’ny brigadin’ny Sabotsy Namehana, tamin’ny faran’ny herinandro teo ireo jiolahy, tomponan’antoka tamin’ny fanafihana ombin-tsarety nitondra kitay. Omby roa sy sarety iray ary ireo kitay no nalain’ireo olon-dratsy nandritra izany fanafihana izany, raha ny voalaza.

« Ny alin’ny 10 mey teo no lasan’ireo daholo ny omby, ny sarety ary kitay tao amin’ny toerana antsoina hoe Tranombitsika, ao amin’ny kaominina Manandriana. Rehefa nanao ezaka ny zandary teto Sabotsy Namehana, dia nisy vokany tokoa izany. Efa-dahy nandray anjara mivantana tamin’ny fanafihana no nosamborina, niaraka tamin’ny mpandray ny omby halatra » hoy ny avy amin’ny brigadin’ny zandarimaria.

« Miaina ao anatin’ny mafy ny ankamaroan’ny malagasy amin’izao fotoana izao. Na an-drenivohitra na ambanivohitra dia samy miaina anatin’ny tsy fandriam-pahalemana avokoa ary tsy mifidy sokajy, tsy mifidy zavatra hangalariny intsony ireo olon-dratsy. Mijaly sy mitebiteby ny mponina ka mila fandraisana andraikitra malaky » hoy Rafidy, mpahay fiaraha-monina.

Nahazo vahana ny tsy fandriam-pahalemana tato ho ato ary saika nandrenesana fanafihana sy vono olona ny ankamaroan’ny kaominina. Manao ahoana anefa ny mahakasika ny sazy mihatra amin’ireny olon-dratsy ireny ? Tsy tokony ny fanavaozana sy fanamafisana ny lalàna ve no tokony himasoan’ny tokony himasoan’ireo tomponandraikitra, mba hilaminan’ny vahoaka ?

Manitra R.

Laisser un commentaire