ActualitésTatitra

Egypte : Inona moa ny « calendrier copte » ?

Ny « calendrier copte » antsoina ihany koa hoe « calendrier alexandrin» dia tetiandro-litorjikan’ny fiangonana « copte orthodoxe ». Ao Egypte no tena fihavian’ny mpino izany, misy ihany koa any am-pialezana ary ao Ethiopie. Notsoahana tamin’ny tetiandron’i Egypte antique io tetiandro io saingy tsy mifototra amin’ny fitsingerin’ny volana ary nasiam-panitsiana teo ny « année bissextile » (taona iray 366 andro).

Ny taona 284 no nipoiran’ny « calendrier copte », ny 29 aogositra kosa ny taovam-baovao an’izany ary 30 aogositra rehefa tsy taona « bissextile ». Raha atao amin’ny « calendrier grégorien » (tetiandro fampiasa mahazatra) dia 11 septambra izany.

Laisser un commentaire