Talata Volonondry: Misy ny fanamboarana ny tetezana Andranotsimihozo
Misy ny fanamboarana ny tetezana ao amin’ny fokontany Andranotsimihozo, kaominina Talata Volonondry. Ezaka nataon’ny kaominina, niarahana tamin’ireo mpiara-miasa sy mpiara-miombon’antoka, ho fampandrosoana ny tanàna izany.
“Anisan’ny ezaka ataon’ny kaominina ho fampandrosoana ny tanàna ny fanatanterahana ireo tetik’asa, tahaka izao fanamboarana ny tetezana izao. tsy afa-misaraka amin’ny fampandrosoana ny mponina izany satria rehefa vita tsara ny tetezana, dia malalaka ny fivezivezena ary tsy manano sarotra ho an’ny mponina ny fampiasana azy” hoy ny avy amin’ireo tomponandraikitra.
“Tena ilaina ny fanamboarana ny tetezana tahaka izao. Hisaorana lehibe ny kaominina nitondra izany asa izany satria efa ela no niandrasana izany. Anisan’ny fampandrosoana andrasan’ny mponina ny tahaka izao” hoy i Lala, mponina ao Talata Volonondry.
Zava-dehibe ho an’ny mponina ny fanamboarana izao tetezana izao. Anisan’ny taratry ny fampandrosoana ny tanàna izany no fanamorana ny fivezivezen’ny mponina, indrindra eo amin’ny famoaham-bokatra sy ny fampifandraisana ny tanàna.
