SocialTsidika

Inona ny vahaolana ho amin’ny tsy fandriam-pahalemana?

Betsaka ireo tranga tsy fandriam-pahalemana misy amin’izao fotoana. Inona no antony ?  Ny alahady 14 martsa lasa teo, mpivady mpanao hala-botry no tra-tehakin’ny mpitandro ny filaminana tao Morafeno, Ambositra. Ilay rangahy no tratra voalohany ary izay vao nanao fisavana ny tranony ny manam-pahefana. Niaraka nanao ny fisavana tamin’izy ireo ihany koa ny tompon’entana very ka tratra tao ny drap, parravant, rideau sy fitaovana hafa  izay efa nampiasain’ireto mpivady ireto. Ny sasany amin’ireo entana halatra tsy tian’izy ireo kosa no namidiny mora teo an-tanàna ihany. Inona no manosika ny olona hanao hala-botry ? Ny fahatrana lalina ve ? Tsy izay rery ihany anefa fa nisy tranga hafa ihany koa tany Ambohimanarivo.  Fasana roa no nisy namaky, izay mbola tsy fantatra aloha hatreto ny isan’ireo razana nokirain’ireo olon-dratsy. Ny alatsinainy 15 martsa no nitragan’io fanafihana io. Fa inona loatra no antony ? Inona ny vahaolana tokony horaisin’ny olom-pirenena rehetra indrindra fa ny tompon’andraiki-panjakana isam-paritra ? Rahoviana vao ho fongana eto amintsika ny tsy fandriam-pahalemana ? Iza no tompon’andraikitra amin’ny famongarana izany ? Ny maty aza mbola trandrahan’ny hafa ho vola ny velona sy ny fananany tsy lazaina intsony. 

Nicole Rafalimananjara

Laisser un commentaire