SocialTatitra

Bolivie : Voatazona am-ponja vonjy maika manditra ny efa-bolana ny filoha teo aloha Añez

Voaheloka hisazy mandritra ny efa-bolana any am-ponja ny filoha vonjimaikan’i Bolivie, Jeanine Anez. Fanonganam-panjakana tamin’ny filoha teo aloha, Evo Morales no hanamelohan’ny lalàna azy. Mandà mafy manoloana io fiampangana azy io anefa i ramatoa Anez tamina fanehoan-kevitra navoakany tao amin’ny tambazotran-tserasera Twitter ny alahady 14 martsa. Minisitra roa tamin’ny governemantany ihany koa no voatazona any am-ponja miaraka aminy hatramin’ny sabotsy lasa teo. Minisitry ny angovo teo aloha, Rodrigo Guzman sy minisitry ny fitsarana, Alvaro Coimbra. Mampametra-panontaniana ireo mponina ao Bolivie hatramin’ny sabotsy lasa teo ity raharaha ity. Mangataka ny amoahana azy ireo avy hatrany ireo mpanara-dia azy. Raha ny fantatra, ho afindra any amin’ny fonjam-behivavy i ramatoa Anez ary mijanona ao amin’ny toerana misy azy ireo amin’izao fotoana kosa ireo minisitra roa. Mbola miandry izay ho tohin’ny raharaha avokoa ny ao Bolivie hatreto.

Laisser un commentaire