Pipeline Efaho : Hampitombo ny hari-karenan’ny faritra Atsimo
Hampiakatra ny harikarenan’ny faritra Atsimo iny ny fametrahana ny Pipeline Efaho izay natomboka ny sabotsy lasa teo iny. Olona miisa 460 000 no hahazon tombontsoa amin’izany fantsona mitondra rano lehibe izany. Hahazo ny anjarany avokoa na ny fambolena, na ny fiompiana na ny olombelona amin’io tetik’asa lehibe io ka izany indirndra no hahafahana mampiakatra ny harikarenan’ny faritra.
« Efa nitoetra taty an-toerana hatramin’ny taona 1932 ny hain-tany ka izany indrindra no tsy maintsy nandraisana ity asa ity ho asa laharam-pahamehana. Mirefy 97km izany fantsona lehibe izany izay miaingy avy ao amin’ny reniranon’ny Efaho. Tanàna miisa 60 be izao ao anatin’ny distrikan’ny Taolagnaro, Amboasary Atsimo ary Androy no hahazo rano hampiasaina amin’ny fotoana rehetra », hoy ny filoham-pirenena Andry Nirina Rajoelina.
Ankoatra ny fisitrahan’ny olona ny rano ho amin’ny filàna isan-karazany dia mirefy 80 000ha ihany koa ny tany hambolena hotondrahan’ity fantsona lehibe ity. Eo ihany koa anefa ireo fisotroan-drano ho an’ny biby fiompy. Izany rehetra izany dia vahaolana hanampy ireo mponina any an-toerana amin’ny fampivoarana ny toerana misy azy tsirairay. “Hita maso ary azo tsapain-tanana ny fanovana azo atao ao anatin’iny faritra iny noho ny fisian’ity rano hanome hery ny olona sy ny toe-karena any an-toerana ity. Maro ireo orinasa azo hatsangana any an-toerana araka izany”, hoy I Manampy, mpandraharaha sady mpahay toe-karena.
Anisan’ny ezaka hampivoarana iny faritra Atsimo iny ihany koa ny fanamboarana ny RN13 izay efa nanomboka ny volana jona 2022 ka efa mandroso be izany asa izany amin’izao fotoana izao. Varavarana misokatra ho an’ity faritra ity avokoa izany ka fanararaotra ho an’ireo izay te hampiasa vola any an-toerana.
Miora Raharisolo
