Cyclisme : Misy karazany maro
Mirakitra hevitra maromaro ny tongomalady. Misy ny mandray izany ho fampiasa amin’ny fiainana andavan’andro, misy ny mandray azy ho fialamboly ary misy ny misokajy azy ho fanatanjahantena. Eo amin’izany sehatray ny fanatanjahantena izany nefa dia mbola mizara sokajy maro ny cyclisme. Isan’izany ny cyclisme sur route, cyclisme sur piste, cyclo-cross, vélo tout terrain (VTT), BMX, cyclisme en salle, polo-vélo.
Misy ihany koa ny école de cyclisme izay natao hianarana manokana ny sokajy fanatanjahanetan’io fitaovam-pitanterana iray io. Ny UCI (Union cycliste internationale) kosa no mampivondrona ireo misehatra eo amin’ny cyclisme maneran-tany. Araky ny maha fanatanjahanetana azy izay kosa dia misy voka-tsoa ho an’ny fahasalamana, toy ny fisorahana ny aretin’ny fo sy ny taovam-pisefoana. Misy tombony lehibe ho an’ny tontolo iainana koa ny fanaovana cyclisme.
