ActualitésTsidika

Kaominina Androhibe :  Hanantanteraka didipoitra faobe

Anisan’ny fomba malagasy fanao isan-taona ny fanaovana didipoitra. Misy arak’izany ny didipoitra lehibe izay karakarain’ny Ben’ny Tanàna ao Androhibe. « Toy ny fanaontsika isan-taona Dia hisy didipoitra faobe eto amin’ny kaominina Androhibe Antsahadinta. Ka manentana hatrany ho an’ireo izay manana zanaka monina ato anatin’ny kaominina mba hanantona ny chef Fokontany hisoratra anarana. Mifarana amin’ny 15 aprily 2023 hoavy izao ny fisoratana anarana», hoy ny Ben’ny Tanàna ao an-toerana.

Marihina moa fa maimaim-poana ny fanantanterahana izany. Izany hoe natao mba hanampiana ireo olona sahirana amin’ny fanaovana didipoitra ny zanany. Rehefa vita ny fisoratana anarana , izay vao mivoaka ny daty hanaovana azy. Nefa kosa efa voafaritra fa amin’ny volana May izao no  kasaina hamitana izany. Manentana ny olona hatrany ny Ben’ny Tanàna mba tsy ho tara amin’ny fisoratana anarana.

Zava-dehibe ho an’ny mponina ao an-toerana ny hetsika toy izao mba hanamaivanana ny fahasahiranan’ny mponina. Misy manko ny olona no tsy manana fahafahana hanao didipoitra ny zanany ka miteraka fitarainana. Fotoana tokony hananararaotana noho izany izao hetsika izao ary tsy tokony hiandry ela intsony izay mbola tsy nahavita fisoratana anarana.

Erwan RAN

Laisser un commentaire