Dépêches

Fotodrafitr’asa: Mandroso ny asa fanarenana ny lalam-pirenena RNS 5

Dépêche 12 avril, 13h, Tonga nijery ny fandrosoan’ny asa fanarenana ny lalam-pirenena faha 5 ny Minisitry ny asa vaventy. Efa mandroso ny asa izay tanterahin’ny orinasa Witec ka efa ny 35% ny asa amin’izao fotoana izao no efa vita. Be mpampiasa ity lalana mampitohy an’ny Toamasina sy Foulpointe ity ka izany no tsy maintsy hanarenana azy. Tetikasa fanarenana ny lalam-pirenena izay tantanan’ny « Projet d’Appui à la Connectivité de Madagascar (PACT) » ary vatsian’ny Banky Iraisam-pirenana moa no hahafahana manatanteraka ity asa ity. Hatao “chaussé en beton armé” ny arabe amin’iny lalana iny.

Laisser un commentaire