Chine : Hiala teo amin’ny fiadidiana ilay sekoly momba ny varotra i Jack Ma
Azo antoka fa marina na dia misoko miadana aza fa hiala teo amin’ny tontolon’ny fandraharahana ilay filoha mpanorina ilay orinasa Alibaba. Hiala tsy ho ao anatin’ny filoha mpitarika sy tsy ho ao anatin’ny fiadidina ilay tetikasany manokana izay anisany tena lehibe i Jack Ma. « Hupan » (amorom-parihy), io ilay tetikasa izay azo lazaina ho toeram-pampiofana amin’ny resaka varotra niorina ny taona 2015 mba hanampiana sy hampiofanana ireo filoha mpitantanana orinasa maro ao amin’ity firenena ity. Ny volana martsa 2021 lasa teo, fiofanana tokony ho ataon’ireo taona voalohany ao amin’ity toeram-piofanana ity no voatery najanona tamin’ny ora farany. Nanomboka tamin’ny novambra 2020, nisian’ny fanakanana tampoka nataon’ny fitondrampanjakana ny fidiran’ilay sampana mpamatsy vola, Ant Group ny orinasa Alibaba, manomboka manafika tsikelikely sy amin’ny fomba mihaja kokoa ity fanjakana naorin’i Jack Ma ity ireo manam-pahafena.
