Dépêches

Fetim-pirenena: Hosokafina amin’ny fomba ofisialy amin’ity anio ity

Dépêche 02 juin 11h, Vao hoe volana jona eto Madagasikara dia ny fetim-pirenena izay no tonga an-tsaina voalohany. Araka izany dia hosokafana amin’ny fomba ofisialy androany ny fankalazana izany. Hotanterahina etsy anoloan’ny lapan’ny tanàna Analakely izany lanonana izany eo ambany fitarihan’ny filohan’ny Repoblikan’i Madagasikara. Milohahevitro ho “Malagasy miray hina, Madagasikara mandroso” ity fankalazana ny faha 63 taonan’ny nahazoana ny fahaleovantena ity. Araka izany dia hisy ny hetsika isan-karazany hokarakaraina. Manomboka androany ihany koa ny fananganan-tsaina isan-tokantrano.

Laisser un commentaire