SocialTsidika

Ambanja : Rarana ny fitondrana zava-maranitra ampahibemaso

Nanao hetsika ny teo anivon’ny Poste fixe Zandarimaria ao Bemaneviky, nanatanteraka fanentanana sy fampatsiahivana ny didim-pitondrana laharana 002 natao ny 15 febroary 2021 izay mandrara ny fitondrana zava- maranitra mamakivaky ny tanàna ao amin’ny distrika Ambanja.

Raha tsiahivina ny zava-nitranga nahatonga izao fanentanana izao : nisy ny fandratràna niniana natao tamin’ny alalan’ny fitaovam-piadiana tsotra, zava-maranitra na « arme blanche », tao amin’ny fokontany Anjiabory, kaominina Bemaneviky, tamin’ny zoma roapolo aogositra iraika amby roapolo sy roa arivo ka naharatràna olona iray tamin’ny alalan’ny zava- maranitra « mesobe ». Namoaka didy ny teo anivon’ny fitsarana arak’izany ka raràna ny fitondràna izany amin’ny toeram-pivoriana sy fifamezivezen’ny olona maro ary mandritra ny fety na lanonana, fampirimana sy famonosona izany amin’ny toerana tsy hita maso rehefa mandalo tanàna, fampiasàna izany amin’ny asa mahakasika ny fambolena ihany na fiambenana voly sy biby fiompy. Ankoatr’izay, nisy ny fangoronana mesobe sy zava-maranitra telo amby fitopolo isa,

Marihana fa mbola mitohy hatrany ny fanentanana mba hialàna sy hisorohana ny tranga fandratràna.

« Izany mihitsy no lalana fa nalalaka ve izany izy hatramin’izay sady nodiana tsy hita no izao vao miroso amin’ny fanentanana. Sa rehefa misy ny olona mampiasa azy amin’ny tsy rariny vao taitra ny mpitandro filaminana » hoy ireo mpandinika fiaraha-monina.

« Mety mihitsy izao hetsika izao mba hanenana ireo mpanao herisetra amin’ny lalana, satria dia maro tokoa izy ireo no hita manao ny ataony mandritran’ny alina iray fotsiny » hoy kosa i Fenitra, « gardien » amin’ny tranobarotra iray.

« Fanampin’izany hetsika izany, tokony hamafisina ihany koa ny fanaraha-maso ireo olona mpimamo. Satria matetika olona mamo avokoa no tratra mampiasa fitaovana maranitra tahak’izao amin’ny vanim-potoana tampoka raha araka ny tatitra izay voarainay eto amin’ny birao izay iasanay » hoy kosa ny tompon’andraikitra tao amin’ny fokontany iray

Fanamafisana ny lalana, izay no tokony atao mafy orina eto amin’ny firenena afahantsika miala amin’ny gaboraraka izay hita sy heno etsy sy eroa. Tokony ho matotra amin’ny fanaraha-maso izao tetikasa fanentanana izao ireo zandary fa tsy ho taitaitra fotsiny. Tsy ao Ambanja ihany no tokony anaovana izao fanentanana izao fa ny toerana rehetra manerana an’i Madagasikara dia entanina hapihatra ny votoatin’ny didim-pitondrana voalaza etsy ambony.

Tsangy Randriamampianina

Laisser un commentaire