Indonésie : Fandresena ho an’i Miguel Oliveira
Norombahin’i Miguel Oliveira (KTM) ny fandresena tamin’ny lalao tao Mandalika. Faharoa kosa i Fabio Quartararo (Yamaha), ary fahatelo i Johan Zarco (Ducati). Tsy nandray anjara tamin’ny hazakazaka kosa i Marc Marquez (Honda) rehefa nianjera nandritra ny andrana ny alahady maraina. Any Argentine ny dingana manaraka, amin’ny 3 aprily.
Herimalala Ratsimbazafy
