SportTatitra

Espagne : Fankasitrahana ireo mendrika tamin’ny lalao iraisam-pirenena

Nampitaina tamin’ny alalan’ny valan-dresaka ampitain-davitra ny lanonana « Laureus Awards » ny alakamisy 6 may lasa teo tany Séville Espagne mba hanomezam-boninahitra ireo anarana mendrika amin’ny lalao iraisam-pirenena. Isan’ny amin’ireo mendrika tamin’izany i Naomi Osaka (tennis), Rafael Nadal (tennis), Lewis Hamilton (Formule 1) ary Mohamed Salah (football). Voafidy ho mpitsara ao amin’ny « Academie Laureus » fanindroany ny Bayern Munich izay mpandresy tamin’ny Champions League tamin’ny volana Aogosotra lasa teo. I Hamilton izay Britanika no nandrombaka ny amboara maneran-tany ho an’ny Formule 1. I Mohamed Salah izay lohalaharana egyptianina ao amin’ny Liverpool, no nandrombaka ny amin’ireo mpanao fanatanjahan-tena. Ny amboara hafa no natolotra an’i Max Parrot, mpilalao snowboard avy any Canada, izay efa nahazo medaly marobe tamin’ny X Games. Tamin’ny sehatry ny tennis kosa, Nahazo amboara i Billie Jean King tamin’ireo zava-bitany marobe.

Laisser un commentaire