Jeux des Îles : Mbola tsy fantatra mazava ny toeran’ny mpanao tsipy kanety be amin’izao.
Dépêche 28 décembre, 12h, Horaisin’ny Madagasikara ny fampiantranoana ny lalaon’ny Nosy andiany faha 10 amin’io taona 2023 io. Anisan’ny lalao hireharehan’ny Malagasy ny lalao tsipy kanety be izay efa nahazoana ny amboara eran-tany. Hatreto anefa dia mbola tsy fantatra mazava ny toerana misy ireo mpilalao tsipy kanetibe ireo raha handray anjara izy ireo na tsia. Mbola miandry ny fanapahan-kevitra avy amin’ny tompon’andraikitra izany hatramin’izao. Azo atao anefa ny mampandray anjara azy ireo hahafahana mampiakatra ny vintana hahazoana medaly maro.
