ActualitésTatitra

Maurice : Hanomboka ny 4 desambra izao ny CJSOI 2022

Ny nosy Maurice no hampiantrano ny andiany faha-12 ny CJSOI 2022 (Commission de la Jeunesse et des Sports de l’Océan Indien). Hanomboka ny 4 desambra izao izany fifaninanana izany ary tsy hifarana raha tsy ny 11 desambra.

Raha tsiahivina dia niforona tamin’ny taona 1988 ny CJSOI izay natao hampiroborobo ny firahalahian’ny tanora avy amin’ireo firenena sy nosy mpikambana ao amin’ny CJSOI ary hampiroboroboana ny fiaraha-miasa isam-paritra, ny kolontsaina ara-panatanjahantena ary ny fampandrosoana ny tanora ihany koa. Comores, Madagascar, Maurice, Seychelles, La Réunion, Djibouti ary Mayotte kosa no mpikambana ao amin’ny CJSOI. Tanora maherin’ny 2000 avy amin’ireo firenena ireo no andrana handray anajara amin’ity andiany ity. Marihana fa tanora 14 hatramin’ny 17 taona no afaka mandray anjara amin’izany.

11 kosa ny taranja hifaninana mandrindra ny CJSOI 2022 : atletisma, lomano, « pétanque » sy « triathlon à Côte d’Or », baolina kitra anaty kianja mitafo atao ao amin’ny Phoenix Gymnasium, « tennis de table » ao Beau Bassin, ady totohondry sy fibatana fonjamby ao Vacoas, « tennis » ao Petit Camp, « voile » ao Pointe Jérôme ary « beach handball » ao Blue Bay. Ankoatran’ireo dia hisy ihany koa ny fifaninanana « e-sports » sy ny fifaninanana ara-kolontsaina.

Laisser un commentaire