La Réunion : Maimaimpoana ny fisakafoanana ao amin’ny lycée rehetra manerana ny nosy
Nandritra ny fandalovan’ny minisitry ny fanabeazam-pirenena, Gabriel Attal tao amin’ny Jean Hinglo du Port dia nampatsiahy i Huguette Bello fa maimaimpoana ny fisakafoanana (cantine) ao amin’ny lisea rehetra manerana ny nosy nanomboka omaly 21 aogositra hatramin’ny 31 aogositra izao. Tanjon’izany ny fisarihana mpianatra bebe kokoa hanjifa ao amin’ny cantine raha ny fanazavana.
Raha ny fanamafisana dia 25% amin’ny mpianatra ihany no manjifa ao amin’izany toeram-pisakafoan’ny sekoly. Tanjona ihany koa ny ampiakatra izany taha izany ho 70% sy ny ampihenana ny fanjifan’ny mpianatra any amin’ny « fast-foods » hiadiana amin’ny « malbouffe » na fihinanana sakafo tsy ara-pahasalamana hoy ny tompon’andraikitra.
Raha tsiahivina kosa dia hihatra manomboka ny 1 septambra izao eny liseam-panjakana manerana ny nosy ny tetik’asa « kantine à 1€ ».
