Groenland : Mpikaroka maromaro nahita karazana « dinosaur » vaovao
Mpikaroka maromaro no nahita karazana « dinosaure » vaovao tao Groenland. Niaina tany amin’ny vanimpotoan’ny « trias » ambony na efa tany amin’ny 214 tapitrisa taona lasa tany ireo raha ny fanazavana. Mbola sisin-tany avaratry ny « supercontinent » Pangée i Groenland tamin’izany, efa nisaraha tamin’io kaontinanta io izy ankehitriny ary nikisa ao amin’ny ranomasimbe Atlantique.Vondrona mikaroka iraisam-pirenena kosa no nahita io « dinosaure » io, anisan’izany ny mpikaroka avy ao Portugal, Danemark ary Allemagne. Ny 3 novambra teo no navoakan’izy ireo ny valin’ny fikaroahana nataony. Raha ny marina dia efa tamin’ny taona 1994 no hita io taolambalona « dinosaure » vaovao io saingy noheverin’ireo manam-pahaizana ao antin’ny fianakavian’ny « platéosaure » ihany izany rehefa nodinihina nefa ny karan-dohan’io « dinosaure » io sy « dinosaure » iray hafa dia hita fa karazana vaovao mihitsy.Issi Saaneq midika hoe « taolana mangatsiaka » no natao anaran’io « dinosaure » io. Karazana biby mihinana zava-maitso (herbivore) izy amin’ny habeny antonony ary lava tenda kokoa hoarina amin’ny hafa
