Entana lany daty fihinan’ny ankizy indray no tratra tany Betsiboka
Matetika mihitsy ny fahitana entana lany daty tato ho ato nanerana ny faritra maro nandritra ny fitririhana nataon’ireo tompon’andraikitra eo amin’ny Ministeran’ny fampiroboroboana ny Indostria sy ny varotra ary ny fanjifana. Sakafo fihinanan’ny ankizy indray no hita fa lany daty tany amin’iny faritra Betsiboka iny.
« Vatomamy sy biscuit isan-karazany miisa 400 teo ho eo no tratra ka ireo mpivarotra akaiky sekoly no tena nahitana azy » hoy ny avy ao amin’ny Ministera. « Nogiazanay aloha ireo entana lany daty ireo mandrapiandry ny fanapotehana azy ary mitohy hatrany ny fisavana ho fiarovana ny aim-bahoaka » hoy ny tompon’andraikitra avy ao amin’ny fitaleavam-paritra Betsiboka. « Ny ankizy tsy manan-tsiny no hizaka ny fitiavan-kelin’ny hafa ka samia mitandrina isika. Jereo tsara ny entana vidiana » hoy i Laingo, renim-pianakaviana ao Maevatanàna.
Mila mandray andraikitra ny ray aman-dreny amin’ny fanaraha-mason’ny sakafo hohanin’ny zanaka satria hampidi-doza ny fahasalaman’ny zaza izany. Mila hamafisiana ny fanaraha-maso ary omena sazy ireo tratra fa minia manaparitaka izany entana lany daty izany.
Nicole Rafalimananjara
